FanentananaAlakamisy 01 Oktobra 2026
Fiantsoana Fampihofanana Mpampianatra sekoly alahady
"Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa anititra aza izy,dia tsy hiala amin'izany" Ohabolana 22 : 6
Manonona ny fiadanan'i Jesosy Kristy Tompo amin'isika rehetra .
Faly miantso ny mpampianatra sekoly alahady rehetra amin'ny zanatoby faritra avaratra,faritra faha-3, mba hanatrika ny fihofanana izay atao ao amin'ny Jesosy Fitiavana Ambatoroka ny zoma 30 oktobra 2026 manomboka amin ny 2ora dia mifarana ny sabotsy 31 oktobra 2026 tolakandro.
Hentanina isika mba samy hivonona amin izay ilaina amin izany.
Manantena ny fahatongavanao Jesosy amin'ny fampandrosoana ny asany .
TIA ANAO JESOSY